Ny toetran’ny maha-olombelona nitsangan-ko velona an’i Kristy

Laharana 645 amin’ny Katesizy

Nampiseho fifandraisana mivantana tamin’ireo mpianany, tamin’ny alalan’ ny fitsapana amin’ny tanana[552] sy ny fiaraha-misakafo[553] i Jesoa nitsangan-ko velona. Tamin’izany no nanasany azy ireo mba hiaiky fa tsy matoatoa Izy[554], fa indrindra hanamarina fa ny vatana tafatsangan-ko velona izay miaraka amin’izany no isehoany amin’izy ireo dia tsy hafa fa ilay vatana nampijaliana sy nofantsihana teo amin’ny hazofijaliana ihany, satria mbola mitondra ny mariky ny fijaliany Izy[555]. Amin’izany koa anefa io vatana tena izy sy marina io dia manana ny toetra vaovao ny vatana be voninahitra : tsy voafetran’ny elanelana sy ny fotoana intsony Izy, fa afaka miseho na aiza na aiza araka ny nahim-pony sy na rahoviana na rahoviana araka izay tiany[556], satria ny maha-olombelona Azy tsy voasakan’ny eto an-tany intsony fa efa anisan’ny any amin’ny fonenan’Andriamanitra Ray[557]. Noho izany antony izany koa, i Jesoa nitsangan-ko velona, dia malalaka tokoa miseho araka izay tiany : maka endriky ny mpiandry saha[558] na “amin’ny endrika hafa” (Mk 16,12) izay nahazatra ny mpianatra, mba hamelombelona indrindra ny finoan’izy ireo[559].

Loharano ôfisialy ↗