Paragrafy 3 . Nalevina i Jesoa-Kristy

Laharana 624 amin’ny Katesizy

”Noho ny fahasoavan’Andriamanitra, dia niaritra ny fahafatesana Izy mba hamonjy ny olombelona rehetra” (Heb 2,9). Tao anatin’ny fandaharam-pamonjeny Andriamanitra no nandamina fa tsy hoe “ho faty noho ny  fahotantsika” (1 Kor 15,3) ihany ny Zanany, fa “hiaritra ny fahafatesana” ihany koa, izany hoe hahalala ny toe-pahafatesana, ny toe-pisarahana eo amin’ny fanahiny sy ny vatany, nandritra ny fotoana anelanelan’ny nialany aina teo amin’ny Hazofijaliana sy ny fotoana nitsanganany ho velona. Io toetran’i Kristy maty io no misterin’ny fasana sy ny fidinana tany ambanin’ ny tany. Io no misterin’ny Sabotsy Masina, fotoana nilevenan’i Kristy tao am-pasana[503], nampiseho ny fitsaharan-dehibe nataon’Andriamanitra tamin’ny sabata[504], aorian’ny fahatanterahan’ny[505] famonjena ny olombelona, ka mampisy ny fandriampahaleman’izao tontolon’ny zava-drehetra izao[506].

Loharano ôfisialy ↗