Ny fandraisantsika anjara amin’ny soron’i Kristy
Laharana 618 amin’ny Katesizy
. Ny Hazofijaliana no sorona tokan’i Kristy “hany mpanelanelana amin’ Andriamanitra sy ny olombelona”[492]. Fa satria, ao amin’ny maha-Olona-Andriamanitra tonga Nofo Azy, dia “mova tsy mikambana amin’ny olona rehetra ny Tenany”[493], ary “nomeny ny olombelona rehetra, amin’ny fomba izay fantatr’Andriamanitra, ny fahazoana mikambana amin’ny misterin’ny Paka”[494]. Miantso ireo mpianany Izy hitondra ny Hazofijalian’izy ireo sy hanaraka Azy[495], satria nijaly ho antsika Izy, nanoritra ny lalan-kizorantsika, mba hanarahantsika ny diany[496]. Araka izany, tiany hiombona amin’ny sorom-panavotany, ireo izay voalohany mahazo tombon-tsoa amin’izany[497]. Tanteraka tamin’ny fara tampony tokoa izany tamin’ny tenan’ny Reniny, izay nandray anjara akaiky dia akaiky mihoatra noho ny hafa rehetra, tamin’ny misterin’ny fijaliam-panavotany[498].
Ivelan’ny Hazofijaliana, tsy misy tohatra hafa izay hiakarana any an-danitra[499].
FAMINTINANA