Tamin’ny Sakafo farany i Jesoa no nanolotra mialoha tamin-kalalahana ny ainy
Laharana 611 amin’ny Katesizy
Ny Eokaristia izay naoriny tamin’io fotoana io no ho tsangambato fahatsiarovana[465] ny nanolorany ny Tenany ho sorona. Natsofok’i Jesoa tao anatin’ny fanoloran-tenany ny apôstôly ary nangatahiny izy ireo mba hanohy hatrany izay nataony[466]. Tamin’izany i Jesoa no nanangana ny apôstôliny ho mpisoron’ny Fanekem-pihavanana Vaovao : “Manamasina ny tenako ho azy ireo Aho, mba hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy ireo” (Jo 17,19)[467].