“Ilay Zanak’Ondry izay manala ny fahotan’izao tontolo izao”

Laharana 608 amin’ny Katesizy

Rahefa avy nanaiky hanao Batemy an’i Jesoa taorian’ireo mpanota i  Joany-Batista[455], dia nahafantatra sy nanondro Azy ho Zanak’Ondrin’Andriamanitra, izay manala ny fahotan’izao tontolo izao[456]. Nabaribariny tamin’izany fa i Jesoa dia sady ilay Mpanompo mijaly, tsy miloa-bava, manaiky hoentina amin’ny toeram-pamonoana[457] ary mivesatra ny fahotan’ny be sy ny maro[458], no  ilay zanak’ondrin’ny Paka fanehoana an’ohatra ny fanavotana an’i Israely tamin’ny Paka voalohany[459]. Ny fiainan’i Kristy manontolo dia manambara ny iraka nampanaovina Azy : hanompo sy hahafoy ny ainy ho fanavotana ny be sy ny maro[460].

Loharano ôfisialy ↗