Ny mpanota rehetra no tompon’antoka tamin’ny fijalian’i Kristy
Laharana 598 amin’ny Katesizy
Tsy hadinon’ny Fiangonana na oviana na oviana, ao amin’ny Toniam-pampianaram-pinoany sy amin’ny filazan’ny Olomasiny, fa “ny tenan’ny mpanota rehetra ihany no tompon’antoka sy toy ny fitaovana nahatonga ny fijaliana rehetra niaretan’ilay Andriamanitra Mpanavotra”[427]. Amin’ny fandraisana ny hevitra hoe nihatra tamin’ny Tenan’i Kristy mihitsy ny fahotantsika[428], tsy mihambahamba ny Fiangonana milaza fa ny kristianina dia manana andraikitra faran’izay lehibe indrindra amin’ny fampijaliana an’i Jesoa, andraikitra izay matetika loatra no ailika amin’ny Jody irery ihany :
Tsy maintsy heverintsika ho meloka amin’izany fahadisoana mahatsiravina izany, izay rehetra mikiribiby miverina amin’ny fahotan’izy ireo. Satria ny heloka nataontsika no nahatonga an’i Jesoa-Kristy Tompontsika hiaritra ny fampijaliana teo amin’ny Hazofijaliana, ka marina fa izay rehetra mivarilavo amin’ny filibàna sy amin’ny ratsy no “mamàntsika indray amin’ny Hazofijaliana ao am-pon’izy ireo, araka izay be ao amin’izy ireo, ny Zanak’ Andriamanitra, sy manala baraka Azy (Heb 6,6). Ary tsy maintsy ekena, fa ny fahotantsika ao amintsika araka izany toe-javatra izany, dia lehibe kokoa noho ny an’ireo Jody. Satria izy ireo, araka ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ ny apôstôly, “raha nahalala ny Mpanjakan’ny voninahitra izy ireo, dia tsy ho namàntsika Azy tamin’ny Hazofijaliana na oviana na oviana” (1 Kôr 2,8). Mifanohitra amin’izany ny antsika, satria miaiky isika fa mahalala Azy ; koa ny endrika anamparantsika Aminy ny tanantsika mpamono olona, dia izay fandavantsika Azy amin’ny ataontsika [429].
Fa na dia ny demony aza, tsy namàntsika Azy teo amin’ny Hazofijaliana ; fa ianao niaraka tamin’izy ireo no namàntsika Azy ary mbola mamàntsika Azy amin’ny Hazofijaliana, amin’ny fankafizanao ny faharatsian-toetra sy ny fahotana[430].