“Nijaly i Jesoa faha-Pôntsy Pilaty, nofantsihana teo amin’ny Hazofijaliana, maty dia nalevina”
Laharana 571 amin’ny Katesizy
Ny misterin’ny Paka namantsihana an’i Kristy teo amin’ny Hazofijaliana sy ny Fitsanganany ho velona no votoatin’ny Vaovao Mahafaly, ka ireo apôstôly sy ny Fiangonana manara-dia azy ireo, no tsy maintsy mitory izany amin’izao tontolo izao. Tamin’ny alalan’ny fahafatesam-panavotan’i Jesoa-Kristy Zanany no nahatanteraka “indray mandeha dia ampy” (Heb 9,26) ny fandaharam-pamonjen’Andriamanitra.