Ny fidirana maha-Mesia an’i Jesoa tao Jerosalema
Laharana 559 amin’ny Katesizy
Fomba ahoana no andraisan’i Jerosalema ny Mesiany ? Nodifian’i Jesoa hatrany aloha ny fitadiavan’ny vahoaka hanao Azy ho mpanjaka[317], fa nifidy ny fotoana Izy ary nanomana tamin’ny an-tsipiriany ny fidirany amin’ny maha-Mesia Azy tao an-tanànan’i “Davida rainy” (Lk 1,32)[318]. Nohobìna ho zanak’i Davida Izy, ilay mitondra ny famonjena (Hosanna dia midika hoe : “vonjeo re !”, “omeo ny famonjena !”). Ary niditra tao an-Tanànany ilay “Mpanjakan’ny Voninahitra” (Sal 24,7-10), “nitaingina zanak’ampondra” (Zak 9,9) : Tsy tamin’ny hafetsena na herisetra no nandreseny ny Zanakavavin’i Siôna, sary an’ohatra ny Fiangonany, fa tamin’ny fanetren-tena izay mampiseho ny Marina[319]. Izany no nahatonga ny ankizy[320] sy ny “mahantran’Andriamanitra” tamin’izany andro izany, ho fototra iorenan’ny Fanjakany, izay nihoby Azy toy ny nanambaràn’ny anjely Azy tamin’ny mpiandry ondry[321]. Ny fihobian’izy ireo hoe : “Hosoavina anie ilay avy amin’ ny anaran’ny Tompo” (Sal 118,26), dia averin’ny Fiangonana amin’ny “Masina! Masina! Masina!” (Sanctus) amin’ny litorzian’ny Eokaristia, ho fanorenana ny tsangambato fahatsiarovana ny Pakan’ny Tompo.