Ny misterin’ny fahazazan’i Jesoa

Laharana 530 amin’ny Katesizy

Ny fandosirana tany Ejipta sy ny famonoana ny zazakely tsy manan-tsiny[235] no mampiseho ny fanoheran’ny maizina ny mazava : “Tonga tao amin’ny olony Izy, fa ny olony tsy nandray Azy” (Jo 1,11). Ny fiainan’i Kristy manontolo, dia ho eo ambany famantarana mampiseho fanenjehana. Miombona anjara Aminy amin’izany ny mpanara-dia Azy[236]. Ny fiakarany avy tany Ejipta[237] dia mampahatsiahy ny Fialana (Eksaody) tany[238] sy mampiseho an’i Jesoa ho ilay mpanafaka tanteraka.

Loharano ôfisialy ↗