Ny misterin’ny fahazazan’i Jesoa
Laharana 528 amin’ny Katesizy
Ny Epifania no fisehoan’i Jesoa ho Mesian’i Israely, Zanak’Andriamanitra sy Mpamonjin’izao tontolo izao. Miaraka amin’ny Batemin’i Jesoa teo Jordany sy ny fampakaram-bady tao Kanà[224], no ankalazana amin’ny epifania ny fitsaohan’ireo “majy” avy any Atsinanana an’i Jesoa[225]. Tao amin’ireo “majy” ireo, izay solontenan’ny fivavahan’ny jentily teo amin’ny tany manodidina, no ahitan’ny Evanjely ny santatry ny firenena maro izay mandray ny Vaovao Mahafalin’ny famonjena tamin’ny alalan’ny Fahatongavana ho nofo. Ny fahatongavan’ireo majy tao Jerosalema, mba hitsaoka ny mpanjakan’ny Jody[226], dia mampiseho fa notadiavin’izy ireo tao amin’i Israely, tamin’ny fahazavan’ny Mesia nasehon’ny kintan’i Davida[227], Ilay izay ho mpanjakan’ny firenena rehetra[228]. Ny fahatongavan’izy ireo no midika fa ny mpanompo sampy dia tsy afaka hahita an’i Jesoa sy hitsaoka Azy ho Zanak’Andriamanitra sy Mpamonjin’izao tontolo izao raha tsy mitodika any amin’ny Jody[229], sy mandray avy amin’izy ireo ny fampanantenana Mesia ho azy ireo, araka ny voarakitra ao amin’ny Testamenta Taloha[230]. Ny Epifania no mampiseho fa ny “hafenoan’ny jentily dia ny miditra ao amin’ny fianakavian’ny patriarka”[231] sy ny fahazoany ny tombon-tsoa natokana ho an’i Israely (Israelitica dignitas)[232].