Ny misterin’ny Noely
Laharana 525 amin’ny Katesizy
Tamin’ny fanetren-tena tao an-tranonomby, teo anivon’ny fianakaviana mahantra[213], no nahaterahan’i Jesoa ; mpiandry ondry tsotra no vavolombelona voalohany nahita maso ny zava-niseho. Tao anatin’izany fahantrana izany no niseho ny voninahitry ny lanitra[214]. Tsy sasatra ny Fiangonana, mihira ny voninahitr’ilay alina amin’ny hoe :
Nateraky ny Virjiny androany ilay Mandrakizay
Ary ny tany nanome lava-bato ho an’ilay Tsihaitakarina.
Ny anjely sy ny mpiandry ondry nidera Azy
Ary ny majy notarihin’ny kintana, nitsaoka Azy
Fa teraka ho anay Ianao,
Ry ilay Zazakely, Andriamanitra mandrakizay[215] !