Ny fiombonantsika amin’ny misterin’i Jesoa
Laharana 520 amin’ny Katesizy
Tamin’ny fiainany manontolo i Jesoa no nisehoany fa môdelintsika[197] : Izy no “olombelona lavorary”[198] izay mandrisika antsika mba ho tonga mpianany sy hanaraka Azy : nanome ohatra halaintsika tahaka Izy tamin’ny fanetren-tenany[199] ; nitaona antsika ho amin’ny fivavahana Izy tamin’ny vavaka nataony[200]; niantso antsika hanaiky amin-kalalahana ny fihafiana sy ny fanenjehana Izy tamin’ny fahantrany[201].