Ny soritra iombonan’ny misterin’i Jesoa

Laharana 517 amin’ny Katesizy

Misterin’ny Fanavotana ny fiainan’i Kristy manontolo. Avy amin’ny ra nalatsany fony Izy nofantsihana teo amin’ny Hazofijaliana aloha, no nahazoantsika ny Fanavotana[187], kanefa, miasa ao amin’ny fiainan’i Kristy manontolo io mistery io : efa tamin’ny Fahatongavany ho Nofo, izay tamin’ izany no nanjary mahantra Izy, mba hampanankarena antsika amin’ny fahantrany[188] ; tamin’ny fiainany miafina, izay nanonerany ny tsy fankatoavantsika, tamin’ny fankatoavany[189] ; tamin’ny teniny izay manadio ny mpihaino Azy[190] ; tamin’ny fanasitranany sy ny fandroahany demony, izay “nakàny ny rofintsika sy nitondrany ny aretintsika” (Mt 8,17)[191]; tamin’ny Fitsanganany ho velona, izay nanamarinany antsika[192].

Loharano ôfisialy ↗