Ny maha-reny virjiny an’i Maria ao amin’ny fandaharan’ Andriamanitra.
Laharana 510 amin’ny Katesizy
I Maria “dia naharitra ho virjiny tamin’ny niforonan’ny Zanany tao am-bohoka, virjiny tamin’ny niterahany Azy, virjiny tamin’ny nitrotroany Azy, virjiny tamin’ny nampinonoany Azy, Virjiny mandrakizay”[177] : amin’ny fisian-tenany manontolo no maha-“mpanompovavin’ny Tompo” azy (Lk 1,38).