I. Nahoana ny Teny no tonga nofo?

Laharana 459 amin’ny Katesizy

Tonga nofo ny Teny mba ho môdelintsika amin’ny fahamasinana : “Ento ny jiogako, ary mianara amiko…” (Mt 11,29). “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona tonga amin’ny Ray afa-tsy amin’ ny alalako” (Jo 14,6). Ary ny Ray, teo an-tendrombohitry ny Fiovàn-tarehy, nandidy hoe : “Henoy Izy” (Mk 9,7)[77]. Izy izany no môdelin’ny hasambarana sy ny fitsipiky ny Lalàna vaovao : “Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo” (Jo 15,12). Mifaningotra amin’ny fanoloran-tena tokoa amin’ny fanarahan-dia Azy izany fitiavana izany[78].

Loharano ôfisialy ↗