III. Zanaka Lahitokan’Andriamanitra

Laharana 443 amin’ny Katesizy

Matoa i Piera afaka nahalala ny toetra mihoatra ny tsapa sy ny hita maha-Zanak’Andriamanitra an’i Jesoa Mesia, dia i Jesoa no namela azy hahazo an-tsaina izany amin’ny fomba mazava. Teo anatrehan’ny Sanedrina, tamin’ny fanontaniana napetrak’ireo mpiampanga Azy hoe : “Zanak’Andriamanitra izany Ianao ?”, dia novalian’i Jesoa hoe : “Voalazanareo tsara, Izaho no Izy” (Lk 22,70)[52]. Efa taloha lavitra izany no nilaza ny Tenany ho “ilay Zanaka” izay mahalala ny Ray Izy[53], izay miavaka amin’ny “mpanompo” nirahin’ Andriamanitra fahiny ho eo amin’ny vahoakany[54], ambony noho ny anjely amin’ny maha-anjely ny anjely[55]. Navahany tamin’ny maha-zanaka ny mpianany ny maha-Zanaka Azy ka tsy niteny na oviana na oviana Izy hoe “Raintsika”[56], fa fony Izy nanome baiko azy ireo nanao hoe : “Mivavaha toy izao ianareo : Rainay” (Mt 6,9) ; ary dia nantitranteriny io fiavahana io : “Ny Raiko sy ny Rainareo” (Jo 20,17).

Loharano ôfisialy ↗