II. Kristy

Laharana 437 amin’ny Katesizy

Tahaka ny ahaterahan’ilay Mesia nampanantenaina an’i Israely no nilazan’ ny Anjely tamin’ireo mpiandry ondry ny fahaterahan’i Jesoa : “Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia i Kristy Tompo” (Lk 2,11). Hatrany am-piandohana Izy no “Ilay izay nohamasinin’ny Ray sy nirahiny teto amin’izao tontolo izao” (Jo 10,36), torontoronina ho masina[30] tao an-kibo virjin’i Maria. Nantsoin’Andriamanitra i Josefa “hampakatra an’i Maria ho vadiny”, izay “nitoe-jaza tamin’ny Fanahy Masina” (Mt 1,20), mba i Jesoa “ilay antsoina hoe Kristy” izay hateraky ny vadin’i Josefa, no ilay Mesia taranak’i Davida (Mt 1,16)[31].

Loharano ôfisialy ↗