I. Jesoa

Laharana 433 amin’ny Katesizy

Nantsoin’ny mpisorombe indray mandeha isan-taona ny anaran’ Andriamanitra Mpamonjy, mba ho fanonerana ny fahotan’i Israely, rahefa namafy ny ràn-tsorona teo amin’ny saron’ny Fiaran’ny fanekena ao amin’ny Masin’ny Masina izy[16]. Ny saron’ny Fiaran’ny fanekena no toerana maneho ny maha-eo an’Andriamanitra[17]. Koa raha niteny ny amin’i Jesoa i Md Paoly, hoe : “Izy no natsangan’Andriamanitra ampahibemaso ho sorom-panonerana amin’ny rany” (Rôm 3,25), dia mampahafantatra izy, fa ao amin’ny maha-olombelona an’i Jesoa, dia “Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray, tamin’ny alalan’i Kristy” (2 Kôr 5,19).

Loharano ôfisialy ↗