I. Jesoa

Laharana 431 amin’ny Katesizy

Andriamanitra, ao amin’ny tantaram-pamonjena, dia tsy afa-po fotsiny tamin’ny nanafahany an’i Israely “tao an-toeram-panandevozana” (Det 5,6) izay namoahany azy avy tao Ejipta, fa mbola namonjy azy koa tamin’ny fahotan’izy ireo. Satria fanalam-baraka lalandava an’Andriamanitra, ny fahotana[9], ka Izy irery ihany no afaka mamela izany[10]. Izany no antony tsy nahafahan’i Israely nitady famonjena afa-tsy tamin’ny fitalahoana ny anaran’Andriamanitra Mpanavotra[11], teo am-pahatsapana fa mitombo hatrany hatrany ny fihanaky ny fahotana manerana ny tontolon’ny zavatra rehetra.

Loharano ôfisialy ↗