Ny Vaovao Mahafaly : naniraka ny Zanany Andriamanitra
Laharana 422 amin’ny Katesizy
“Fa nony feno ny andro, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, sy nateraka teo ambanin’ny Lalàna, mba hanafaka izay teo ambanin’ny Lalàna, sy handraisantsika ny fananganan-janaka” (Gal 4,4-5). Indro ny Vaovao Mahafaly momba an’i Jesoa-Kristy, Zanak’Andriamanitra[1] : Namangy ny vahoakany Andriamanitra[2] ; notanterahiny ny fampanantenana nataony tamin’i Abrahama sy ny taranany[3], ary nataony mihoatra noho izay andrasana rehetra : nirahiny ny “Zanany malalany” (Mk 1,11).