“Ny iray ho an’ny iray hafa” – “firaisan’ny roa”

Laharana 373 amin’ny Katesizy

Ao amin’ny fandaharan’Andriamanitra, dia voantso “hizaka” ny tany[259] ny lehilahy sy ny vehivavy, fa “mpitandrim-panan’ ” Andriamanitra. Tsy tokony hanaovana didy jadona sy handravana efa izany fahefana ambony indrindra izany. Noho ny lehilahy sy ny vehivavy mitovy endrika amin’ilay Mpahary “tia ny zavatra rehetra misy” (Fah 11,24), dia voantso izy ireo handray anjara amin’ny Fitahian’Andriamanitra ny zavaboary hafa rehetra. Avy amin’izany ny andraikitr’izy ireo hizaka izao tontolo izao, izay nankinin’Andriamanitra taminy.

Loharano ôfisialy ↗