III. Ny fahalalana an’Andriamanitra araka ny Fiangonana
Laharana 36 amin’ny Katesizy
“Mihevitra sy mampianatra ny Fiangonana Masina, renintsika, fa Andriamanitra, foto-piandohana sy fiafaran’ny zavatra rehetra, dia mety ho fantatra marina amin’ny alalan’ny fahalalana voa-Janahary ananan’ny sain’ olombelona, miainga avy amin’ny zavaboary”[12]. Raha tsy misy izany herim-pahalalan’ny saina izany, tsy ho afa-mandray ny fanambaràn’Andriamanitra ny olombelona. Manana izany herim-pahalalana izany ny olombelona satria noarìna “mitovy endrika amin’Andriamanitra” izy (Jen 1,27).