I. “Mitovy endrika amin’Andriamanitra”

Laharana 358 amin’ny Katesizy

Noarìn’Andriamanitra  ho an’ny olombelona[233] ny zavatra rehetra, kanefa ny olombelona noarìny mba hanompo sy ho tia Azy ary hanolotra Aminy ny voary manontolo :

Inona àry no zavaboary nampisianao ka henin-kaja toy izany ? Ny olombelona izany, endrika velona lehibe sady mahatalanjona, sarobidy kokoa eo imason’ Andriamanitra noho ny zavaboary rehetra : ny olombelona izany, ho azy no nisian’ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny fitambaramben’ny zavaboary, ary ho amin’ny famonjena azy no nanaovan’Andriamanitra ho zava-dehibe ho azy hatramin’ny tsy nandalany na dia ny Zanany Lahitokana aza. Satria Andriamanitra tsy mijanona miasa mba hanandratra ny olona hatrany Aminy sy hampipetraka azy eo an-kavanany[234].

Loharano ôfisialy ↗