II. Ny tontolo hita maso

Laharana 340 amin’ny Katesizy

Sitrak’Andriamanitra  ny fifampiankinan’ny zavaboary. Ny masoandro sy ny volana, ny sedera sy ny voninkazo kely, ny voromahery sy ny fody : ny fahitana ny hamaroan’ny karazana sy ny tsy fitovian’izy ireo no midika fa tsy misy zavaboary na iray aza mahavita tena. Tsy misy izy ireo raha tsy mifampiankina amin’ny samy izy ireo, mba samy hifameno, amin’ny fanampian’ny samy izy ireo.

Loharano ôfisialy ↗