I Kristy “miaraka amin’ny anjeliny rehetra”

Laharana 332 amin’ny Katesizy

Teo izy ireo, nanomboka tamin’ny fahariana[188] sy tamin’ny tantaram-pamonjena manontolo, nanambara mialoha lavitra na akaiky io famonjena io sy nampiasa ny fandaharan’Andriamanitra tamin’ny fanatanterahana izany : nanidy ny varavaran’ny paradisa an-tany izy ireo[189],  niaro an’i Lôta[190], namonjy an’i Agara sy ny zanany[191], nanakana ny tanan’i Abrahama[192] ; andraiki-panompoan’izy ireo ny nampita ny lalàna[193], nitari-dalana ny Vahoakan’ Andriamanitra[194], nanambara fahaterahana[195] sy fiantsoan’Andriamanitra[196],  nanampy ny mpaminany[197], raha tsy hitanisa afa-tsy ohatra vitsivitsy. Farany, ny Anjely Gabriely no nilaza ny fahaterahan’ilay Mpialoha lalana sy ny an’ny Tenan’i Jesoa[198].

Loharano ôfisialy ↗