Ny fitahian’Andriamanitra sy ny fanafintohinan’ny ratsy

Laharana 314 amin’ny Katesizy

Mino mafy isika fa Andriamanitra no Tompon’izao tontolo izao sy ny tantara. Kanefa ny lalan’ny fitahian’Izy Tompo, matetika, no tsy fantatsika. Ary amin’ny farany, rahefa tapitra ny ampahan’ny fahalalantsika, rahefa hahita an’Andriamanitra  “mifanatrika” isika (1 Kôr 13,12), no ho fantatsika manontolo ny lalana, izay amin’izany, na dia eo am-pamakivakiana ny antambon’ny ratsy sy ny fahotana aza, no hitondran’Andriamanitra ny zavaboariny hatramin’ny fialan-tsasatr’io Sabata[174] mandrakizay io, fa ho an’izany moa no nahariany ny lanitra sy ny tany.

FAMINTINANA

Loharano ôfisialy ↗