Ny fitahian’Andriamanitra sy ny fanafintohinan’ny ratsy

Laharana 312 amin’ny Katesizy

Araka izany, rahefa ela ny ela, mety ho tsikaritra fa Andriamanitra, ao anatin’ny fitahian’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra, dia afaka misintona zava-tsoa avy amin’ny vokatry ny ratsy, na dia ara-panahy aza, nateraky ny zavaboariny : “Tsy ianareo, hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny, no nandefa ahy taty, fa Andriamanitra ; (…) ny ratsy izay nokasainareo hatao tamiko, dia navadiky ny fandaharan’Andriamanitra  ho tsara mba hamonjena ny ain’ny vahoaka maro be” (Jen 45,8; 50,20)[169]. Avy amin’ny haratsiam-panahy faran’ny lehibe indrindra amin’izay natao hatr’izay, dia ny fandavana sy ny famonoana ny Zanak’Andriamanitra, vokatry ny fahotan’ny olombelona rehetra, no nisintonan’Andriamanitra, noho ny fahasoavany mihoa-pampana[170], ny lehibe indrindra amin’ny soa : ny fanandratana amim-boninahitra an’i Kristy sy ny Fanavotana antsika. Kanefa, ny ratsy tsy mety ho tsara.

Loharano ôfisialy ↗