I. Ny fiainan’ny olombelona – mahalala sy mitia an’ Andriamanitra

Laharana 3 amin’ny Katesizy

Ireo izay nandray ny antson’i Kristy noho ny fanampian’Andriamanitra, sy namaly izany tamin-kalalahana, dia noteren’ny fitiavan’i Kristy koa avy eo, hitory ny Evanjely hatraiza hatraiza manerana ny tany. Voatahirin’ny dimbin’ izy ireo araka ny tena izy, izany raki-tsoa voaray avy amin’ireo apôstôly izany. Ny mpino rehetra an’i Kristy no antsoina hampita izany amin’ny taranaka mifandimby, amin’ny fanambaràna ny finoana, amin’ny fivelomana izany ao anatin’ny fifampizaràna maha-mpiray tam-po ara-pinoana ary amin’ ny fankalazana izany amin’ny litorzia sy ny fivavahana[1].

Loharano ôfisialy ↗