“Avelao ny fahotanay” ...
Laharana 2841 amin’ny Katesizy
Tena manan-danja io fangatahana io, fa izy irery no naverin’ny Tompo sy novelabelariny tamin’ny toriteny teo an-Tendrombohitra[122]. Izany fitakiana lehibe dia lehibe momba ny misterin’ny fanekem-pihavanana izany dia tsy mety ho vitan’olombelona. Kanefa “vitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra” (Mt 19,26).