I. “Sahia isika manatona amim-pitokiana tanteraka”
Laharana 2778 amin’ny Katesizy
Izany herin’ny Fanahy izay mampiditra antsika amin’ny Vavaky ny Tompo izany no ambara ao amin’ny litorzia Tatsinanana sy ny Tandrefana amin’ny alalan’ny fomba fiteny tsara tena kristianina hoe : parrhésia, izay midika hoe : fahatsorana tsy misy olakolaka, fitokian-janaka, toky maha-miramirana, fahasahiana tsotra, fitokiana fa notiavina[22].