III. Vavaky ny Fiangonana
Laharana 2768 amin’ny Katesizy
Araka ny Lovam-pampianarana avy amin’ny apôstôly, ny Vavaky ny Tompo dia miorim-paka indrindra amin’ny vavaka litorzika.
Mampianatra antsika hanao ny fivavahantsika miaraka ho an’ny mpiray tam-po rehetra amintsika amin’ny finoana ny Tompo. Satria Izy tsy niteny hoe : “Raiko” izay any an-danitra, fa “Rainay”, mba hahatonga ny fivavahantsika, amin’ny fanahy iray ihany, ho an’ny Tenan’ny Fiangonana manontolo[16].
Ao amin’ny lovam-panahy rehetra ara-litorzia, ampahany tsy azo esorina amin’ireo ora lehibe amin’ny Fankalazana an’Andriamanitra isan’andro, ny Vavaky ny Tompo. Kanefa amin’ireo sakramenta telo firosoana ho kristianina indrindra no miseho miharihary ny toetra maha-Fiangonana azy :