“Famintinana ny Evanjely manontolo”

Laharana 2761 amin’ny Katesizy

“Famintinana marina tokoa ny Evanjely manontolo ny Fivavahan’ny Tompontsika”[7]. “Tamin’ny nampitan’ny Tompo ho antsika io rijan-tenim-pivavahana io, dia nampiany hoe : “Mangataha, dia hahazo ianareo” (Jo 16,24). Ny tsirairay àry dia samy afaka manondrotra vavaka samihafa any an-danitra araka ny ilainy, nefa ny anombohana lalandava izany dia ny Vavaky ny Tompo, izay mitoetra ho vavaka fototra”[8].

Loharano ôfisialy ↗