Ny vavolombelona zavon-tany

Laharana 2684 amin’ny Katesizy

Ao amin’ny fiombonan’ny olomasina no itomboan’ireo Fiangonana amin’ ny fiainam-panahy samihafa, eny am-pamakivakiana ny tantara eny. Ny fanomezam-pahasoavana ny tsirairay ho vavolombelon’ny fitiavan’ Andriamanitra ho an’ny olombelona dia azo ampitaina, toy ny “fanahin’ ” i Elia tamin’i Elisea[32] sy tamin’i Joany Batista[33], mba hahazoan’ny mpianatra anjara amin’izany fanahy izany[34]. Ny fiainam-panahy iray dia fihaonana koa amin’ny fomba mahazatra sasany, ara-litorzia sy ara-teôlôjia, sy mampiseho ny fampidirana ny kolontsaina ao amin’ny finoana, eo amin’ny tontolo iainan’olombelona sy ny tantarany. Ireo fiainam-panahy kristianina kosa dia mandray anjara amin’ny lovam-panahy velona momba ny fivavahana, ary mpitari-dalana ilaina ho an’ny mpino. Ireo no mamerina tara-pahazavana madio mangarangarana sy tokana avy amin’ny Fanahy Masina, ao anatin’ny fahasamy hafa ny harem-pahasoavan’izy ireo.
”Ny Fanahy no tena toeran’ny olomasina tokoa,  ary ny olomasina ho an’ny Fanahy no toerana madio, satria manolo-tena izy hiara-monina amin’Andriamanitra ary antsoina hoe Tempoliny”[35].

Loharano ôfisialy ↗