“Avia, ry Fanahy Masina”
Laharana 2671 amin’ny Katesizy
Ny fomba fanao araka ny lovantsofina amin’ny fangatahana ny Fanahy, dia ny mitalaho amin’ny Ray amin’ny alalan’i Kristy Tompontsika mba hanomezany antsika ny Fanahy Mpanafaka alahelo[17]. Nanantitrantitra ny momba izany fangatahana amin’ny Anarany izany i Jesoa tamin’ny fotoana izay nampanantenany indrindra koa ny fanomezana ny Fanahin’ny Fahamarinana[18]. Kanefa, araka ny lovantsofina koa ity vavaka tsotra indrindra sy mivantana indrindra ity : “Avia, ry Fanahy Masina”, ary ny lovam-panahy ara-litorzia tsirairay no namelabelatra izany tao amin’ny sasin-kira sy ny antsa :
Avia, ry Fanahy Masina, fenoy ny fon’ny mpino Anao, ary areheto ao amin’izy ireo ny afom-pitiavanao[19].
Ry Mpanjakan’ny lanitra, ry Fanahy Mpanafaka alahelo, ry Fanahin’ny Fahamarinana, manerana hatraiza hatraiza sy mameno ny tontolo, fitoeran-drakitry ny soa rehetra sy loharanon’ny Fiainana, avia Ianao, ry ilay Tsara, monena ato aminay, diovy izahay ary vonjeo izahay[20] !