III. Ny vavaka fitalahoana
Laharana 2636 amin’ny Katesizy
Niaina fatratra izany endrika fifampizàrana izany ny ankohonam-piangonana kristianina voalohany[119]. Nampandray anjara azy ireo toy izany i Paoly apôstôly tamin’ny andraiki-panompoany ny Evanjely[120], nefa mitalaho koa ho azy ireo izy[121]. Ny fitalahoana kristianina dia tsy misy fetrany manasaraka : “ho an’ny olombelona rehetra, ho an’izay rehetra nametrahana fahefana” (1 Tim 2,1), ho an’ireo manenjika[122], ho famonjena ireo izay manohitra ny Evanjely[123].