Mampianatra mivavaka i Jesoa

Laharana 2610 amin’ny Katesizy

Tahaka ny nivavahan’i Jesoa tamin’ny Ray sy nisaorany talohan’ny nandraisany ny fanomezany, no ampianarany antsika izao fahasahian-janaka izao : “Na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa efa azonareo izany” (Mk 11,24). Toy izao no herin’ny fivavahana : “Tsy misy tsy azo atao ho an’izay mino” (Mk 9,22), amin’ny finoana  izay tsy misalasala[76]. Raha nalahelo i Jesoa noho ny “tsy fahampian’ny finoan’ ” ireo havany (Mk 6,6) sy ny “hakelin’ny finoan’ ” ireo mpianany[77], nitolagaga kosa Izy teo anoloan’ny “finoana lehibe” nananan’ilay kapiteny rômanina[78] sy ilay vehivavy Kananeanina[79].

Loharano ôfisialy ↗