Mivavaka i Jesoa

Laharana 2602 amin’ny Katesizy

Matetika i Jesoa no nihataka tany amin’ny toera-mangina, tany an-tendrombohitra, indrindra indrindra tamin’ny alina, mba hivavaka[59]. Nitondra ny olombelona tamin’ny fivavahany Izy, satria Izy rahateo moa dia nizaka tao Aminy ny maha-olombelona tamin’ny Fahatongavany ho nofo, ary nanolotra azy ireo tamin’ny Ray, tamin’ny Nanolorany ny Tenany ihany. Izy, ilay Teny “tonga nofo”, no mandray anjara ao amin’ny vavaka maha-olombelona Azy amin’izay rehetra iainan’ny rahalahiny[60] ; miombona alahelo amin’ny fahalemen’izy ireo Izy mba hanafaka azy ireo amin’izany[61]. Ho amin’izany no nanirahan’ny Ray Azy. Koa noho izany, ny teniny sy ny tsanganasany dia manjary fanehoana hita maso ny fivavahany “tao amin’ny miafina”.

Loharano ôfisialy ↗