Mivavaka i Jesoa
Laharana 2600 amin’ny Katesizy
Ny Evanjely araka an’i Md Lioka dia manantitrantitra ny asan’ny Fanahy Masina sy ny hevitra raketin’ny fivavahana teo amin’ny raharaham-pamonjen’i Kristy. Nivavaka i Jesoa talohan’ireo fotoan-dehibe nanamarika ny fanirahana Azy : talohan’ny nampisehoan’ny Ray Azy tamin’ny Bateminy[53] sy ny Fiovàn-tarehiny[54], ary talohan’ny hanatanterahana tamin’ny alalan’ny fijaliany ny fandaharam-pitiavan’ny Ray[55]. Nivavaka koa Izy talohan’ireo fotoana raikitra izay hanombohana ny fanirahana ny apôstôliny : talohan’ny nifidianana sy ny niantsoana ny Roa ambin’ny folo[56], talohan’ny nieken’i Piera Azy ampahibemaso ho “Kristin’Andriamanitra”[57] sy mba tsy hangozohozo ao anatin’ny fakam-panahy ny finoan’ity filohan’ny apôstôly[58]. Ny vavak’i Jesoa talohan’ilay zava-dehibe niseho momba ny famonjena izay nangatahin’ny Ray Taminy hotanterahina, dia fanolorana amim-panetren-tena sy amim-pitokiana ny sitrapony maha-olombelona Azy, amin’ny sitrapo be fitiavan’ny Ray.