Elia, ny mpaminany ary ny fibebahan’ny fo

Laharana 2584 amin’ny Katesizy

Eo amin’ny “fanatrehana irery an’Andriamanitra” ireo mpaminany no manovo fahazavana sy hery ho an’ny fanirahana azy ireo. Tsy hoe fandosirana an’izao tontolo izao mivadi-pitokiana ny fivavahan’izy ireo fa fihainoana ny Tenin’Andriamanitra, indraindray adihevitra na fitarainana, fitalahoana lalandava izay miandry sy manomana ny fanalalan’ Andriamanitra Mpamonjy, Tompon’ny tantara[46].

Loharano ôfisialy ↗