Elia, ny mpaminany ary ny fibebahan’ny fo
Laharana 2582 amin’ny Katesizy
Rain’ny mpaminany i Elia, avy amin’ny taranak’ireo izay mitady an’ Andriamanitra sy izay mikatsaka ny Endriny[38]. Ny anarany hoe, “Ny Tompo no Andriamanitro”, no milaza ny hiakan’ny vahoaka ho valin’ny fivavahany teo an-tendrombohitr’i Karmely[39]. Tany aminy no nalehan’ny sain’i Md Jakôba raha nandrisika antsika amin’ny vavaka izy hoe : “Mahefa be ny vavaka ataon’ny olo-marina amin-kafanam-po” (Jak 5,16)[40].