IV. Ny tsanganasan’Andriamanitra sy ny fanirahana sahanin’ ny Trinite Masina
Laharana 258 amin’ny Katesizy
Tsanganasa iombonan’ireo Olona telo-Andriamanitra ny fitantanam-pamonjen’Andriamanitra manontolo. Satria tahaka ny tsy ananan’ny Trinite afa-tsy fomba aman-toetra tokana sy mitovy no tsy ananany afa-tsy asa tokana sy mitovy koa[92]. “Tsy fototra telo fiandohan’ny zavaboary tsy akory ny Ray, ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, fa foto-piandohana tokana ihany”[93]. Kanefa ny tsirairay amin’ireo Olona-Andriamanitra dia manao ny tsanganasa iombonana araka ny toetra manokana an’ny tsirairay avy. Araka izany no anaovan’ny Fiangonana fiekem-pinoana, manaraka ny Testamenta Vaovao[94] hoe : “Andriamanitra iray sady Ray, izay avy Aminy no isian’ny zavatra rehetra, Jesoa-Kristy Tompo iray, izay Aminy no isian’ny zavatra rehetra, Fanahy Masina iray, izay ao Aminy no isian’ny zavatra rehetra”[95]. Ny asan’ Andriamanitra momba ny Fahatongavan’ny Zanaka ho Nofo sy ny fanomezana ny Fanahy Masina indrindra no maneho ny toetra manokana an’ny tsirairay amin’ireo Olona-Andriamanitra.