I Môizy sy ny fivavahan’ny mpanelanelana

Laharana 2577 amin’ny Katesizy

Tamin’io fisakaizana lalina amin’Andriamanitra tsy mivadika, tsy malaky tezitra ary feno fitiavana io[31] i Môizy no nanovo hery sy filofosana amin’ny fanelanelanany. Tsy nivavaka ho an’ny tenany izy, fa ho an’ny vahoaka nofidin’Andriamanitra ho Azy. Efa nandritra ny ady tamin’ny Amalesita[32], na ny mba hahazoan’i Miriama fahasitranana[33], no nanelanelana i Môizy. Fa indrindra taorian’ny fivadiham-pinoan’ny vahoaka  dia “nitsangana teo anatrehan’Andriamanitra izy hisakana ny hatezerany tsy handringana” (Sal 106,23) mba hamonjena ny vahoaka[34]. Ny porofon-kevitra amin’ny fivavahany (tolona mifono mistery koa ny fanelanelanana), dia hiteraka aingam-panahy amin’ny herim-pon’ireo mpivavaka malazan’ny vahoaka jody toy ny an’ny Fiangonana : Andriamanitra dia fitiavana, noho izany marina sy mahatoky Izy ; tsy afaka manohitra ny teniny Izy, fa tsy maintsy mahatsiaro ny asa mahagaga nataony, miantoka ny Voninahiny, ary tsy afaka handao ity vahoaka mitondra ny anarany Izy.

Loharano ôfisialy ↗