Ny fampanantenana sy ny fivavahana atao amim-pinoana
Laharana 2573 amin’ny Katesizy
Navaozin’Andriamanitra tamin’i Jakôba, ilay razamben’ny foko roa ambin’ny folon’i Israely ny fampanantenany [28]. Talohan’ny niatrehany an’i Esao rahalahiny i Jakôba dia nitolona nandritra ny alina manontolo tamin’ny “olona iray” saro-pantarina, izay nandà ny hanambara ny anarany, nefa nitsodrano azy talohan’ny nandaozany azy nony mangiran-dratsy ny andro. Notanan’ny lovam-panahin’ny Fiangonana avy amin’io tantara io ny fanehoana an’ohatra ny fivavahana ho tolona amim-pinoana sy fandresena amim-pitozoana[29].