Fanomezan’Andriamanitra ny fivavahana

Laharana 2561 amin’ny Katesizy

“Ianao indray aza no ho nangataka izany Taminy, ka homeny rano velona” (Jo 4,10). Valy ara-kevi-manohitra ny vavaka fangatahana ataontsika. Valy amin’ny fitarainan’Andriamanitra velona hoe : “Nafoin’izy ireo Aho, Izaho Loharanon’ny rano velona, fa lavaka no nohadìny ho azy, lavaka mitriatriatra, tsy mahatan-drano!” (Jer 2,13), valim-pinoana amin’ny fampanantenana maimaim-poana ny famonjena[7], valim-pitiavana amin’ny hetahetan’ilay Zanaka Lahitokana[8].

Loharano ôfisialy ↗