Fanomezan’Andriamanitra ny fivavahana

Laharana 2559 amin’ny Katesizy

“Ny fivavahana dia fanandratana ny fanahy ho amin’Andriamanitra na fangatahana amin’Andriamanitra ny soa sy ny tsara sahaza”[2]. Avy amin’ny inona no itenenantsika rahefa mivavaka ? Avy amin’ny haavon’ny fiavonavonantsika sy ny sitrapontsika manokana ve, sa avy amin’ny “halalin’ny” (Sal 130,1) fo manetry tena sy torotoro ? Izay manetry tena no asandratra[3]. Ny fanetren-tena no toetra fototra iorenan’ny fivavahana. “Na izay tokony hangatahintsika amin’ny vavaka ataontsika aza tsy fantatsika” (Rôm 8,26). Ny fanetren-tena no toe-panahy ilaina handraisana maimaim-poana ny fanomezam-pivavahana : Mahantra mpangataka amin’ Andriamanitra ny olombelona[4].

Loharano ôfisialy ↗