III. Ny fahantran’ny fo
Laharana 2547 amin’ny Katesizy
Nalahelo an’ireo mpanankarena ny Tompo, satria ao anatin’ny fahabetsahan’ny fananana no ahitan’izy ireo ny fiononana amam-pahafaham-pon’izy ireo (Lk 6,24). “Ny olona miavona dia mikatsaka ny fahefan’ny tany, fa ny mahantra am-panahy kosa mikatsaka ny Fanjakan’ ny Lanitra”[139]. Ny fanankinana ny zavatra rehetra eo ambany Fitahian’ny Ray any an-danitra no manafaka ny ahiahin’ny ampitso[140]. Ny fitokiana an’ Andriamanitra no manomana amin’ny hasambaran’ ireo mahantra. Hahita an’Andriamanitra izy ireo.