III. Ny fahantran’ny fo

Laharana 2544 amin’ny Katesizy

Mandidy ireo mpianany i Jesoa ho tia Azy mihoatra noho ny zavatra rehetra sy ny olona rehetra, ary manome hevitra azy ireo hahafoy ny fananany rehetra[133]  noho ny fitiavana Azy sy ny Evanjely[134]. Taloha kely ny fijaliany, nanome ohatra azy ireo mikasika izany Izy ny amin’ilay vehivavy mpitondratena tao Jerosalema, izay tamin’ny fahantrany indrindra no nanomezany manontolo izay nananany amin’ny fivelomany[135]. Ny didy momba ny tsy firaiketam-po amin’ny harena dia tsy maintsy tanterahina mba hidirana any amin’ny Fanjakan’ny lanitra.

Loharano ôfisialy ↗