VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina
Laharana 2513 amin’ny Katesizy
Ny haikanto, fa indrindra ny zavakanto masina, “dia mikendry, amin’ny maha-zavakanto azy, ny hampiseho araka izay azo atao ao amin’ireo tsanganasan’olombelona, ny hatsarana tsy misy fetran’Andriamanitra, ary natao indrindra ireny mba hampitombo ny fiderana Azy sy ny voninahiny izay tsy misy fikasana hafa afa-tsy ny hanampy araka izay azo atao ny fanahin’ny olona hitodika any amin’Andriamanitra”[104].
Tsy hitsiriritra ny tranon’ny namanao ianao. Tsy hitsiriritra ny vadin’ny namanao ianao, na ny ankizilahiny na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny ampondrany, na inona na inona amin’ny zavatry ny namanao (Eks 20,17).
Na iza na iza mijery vehivavy amin’ny fitsiriritana azy dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady (Mt 5,28).