VI. Ny fitiavana ny mahantra
Laharana 2463 amin’ny Katesizy
Ao amin’ireo olona tsy tambo isaina tsy manan-kanin-kohanina, tsy manan-kialofana, tsy manam-ponenana, ahoana no tsy ahatsiahivana an’i Lazara, ilay mpangataka mitofezaky ny hanoanana voalazan’ny fanoharana[67]? Ahoana no tsy ahenoina an’i Jesoa miteny hoe : “Tsy nanao izany tamiko koa ianareo” (Mt 25,45) ?
“Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao” (Eks 20,16).
Voalaza tamin’ny ntaolo hoe : “Tsy hianiana tsy to ianao, fa hanefa amin’ny Tompo ny fianiananao” (Mt 5,33).