VI. Ny fitiavana ny mahantra
Laharana 2446 amin’ny Katesizy
Nampahatsiaro mafy izany i Md Jean Chrysostome : “Ny tsy mampandray anjara ny mahantra amin’ny fananany manokana, dia mangalatra amin’izy ireo sy manala amin’izy ireo ny aina. Tsy ny fananantsika no tazonintsika fa ny azy ireo”[55]. “Tsy maintsy honerana aloha ny takìn’ny fahamarinana, fandrao tsy afa-manolotra ho fanomezam-pitiavana afa-tsy izay efa tsy maintsy hefaina araka ny rariny”[56] :
Rahefa manome ny mahantra ny zavatra ilainy isika, tsy manao asa fanasoavana manokana ho azy ireo akory isika, fa mamerina amin’izy ireo izay azy ireo. Manatontosa adidim-pahamarinana tokoa isika fa tsy manatanteraka asa fitiava-namana[57].